Teo aho raha nivoha ny lalan-jazany.
Tao daholo izahay, ny reniny, ny vadiny ary izaho,
ary koa ilay mpampivelona avy any Okraina sy ny velaran-tanany iray manontolo
tanatin’ny lalan-jazany mitsapa sy manodina amin’ny fonotanana caoutchouc
raha koa ka miresaka tsy taitra aminay izy - ohatra ny hoe mamoha robinet.










