Ao, ao ambany ao, mbola tsy niverenako naleha mihintsy hatry ny taona 1953. tena
marina e! Tsy misy hifandraisany amin’ny naha lany an’i Eisenhower mihintsy tamin’ny
fifidianana. Tena ohatran’ny hoe any anaty lava-bato. Mandomando, feno olotra. Mba
henoy aho raha miteny hoe tena tsy mampa te handia tokoa. Ohatran’ny hoe
mampaharary. Mampasempotra. Mamparikoriko. Feno hamandoana, lomorina sy ny sisa
e!…Beurk! mampa torana ny fofona avoakany. Manara pofona amin’ny akanjo mihintsy
aza.










