Toy ny akorandriaka ny fivaviako, akorandriaka boribory
mavokely sady saro-pady mety mivoha dia mety mihidy. Toy ny
voninkazo ny fivaviako, toy ny tulipe manana ny maha izy azy izy, ny fony mahiratra sady
lalina, ny fofony mamerovero, ny felany sady malefaka anefa koa matevina.
Izany zavatra izany ela vao fantatro. Tany amin’ny fivorian’ny fivaviana no nahalalako
izany. Ilay vehivavy mpitarika io fivoriana io no nanoro ahy, manana toky ny fivaviana io
ramatoa io, izy mahita ny fivaviana araka ny maha izy azy sady mampianatra ny hafa
ahafantatra ny fivaviany eo am-pandinihana ny an’ny vehivavy hafa .










