Fahatsiarovana : Desambra 1965, dimy taona.
Hoy i Neny amin’ny feo masiaka, mafy, mihantsy aina hoe ajanony hono io
mihoatrahoatra ny Boziko io. Lasa natahotra be aho sao nihoatra loatra ka mianjera ho
azy eo izy no hiafarany. Tsy mikasika ny tenako intsony aho, na rehefa mandro aza.
Matahotra ilay rano miditra anatiko aho sao mampibontsina ahy ka mampipoaka ahy.










