- Mba tsaroanareo ve ity??, ity ngamba ny tononkalo ampianarina ny ankizy Malagasy voalohany indrindra e!!!
- Jerreo ny volonay
- Voahogo tsara ery
- Sady izay indray
- Nasiana bigody!
- Jereo ny tananay
- Madio tsara koa
- Ary ny hohonay
- Voahety avokoa
- Jereo ny tongotray
- mandina aoka izany
- Ny faladianay
- Toa tsy nandia tany
- Ny reninay moa
- Mpipasoka mahay
- Voapasony avokoa
- Ny fitafianay
- Angaha ny tenanay ihany?
- No diovinay zareo
- Madio tahaka izany
- Ny bokinay jereo
- Boky sy kahie
- Sy kitapo koa
- Avia anie jereo
- Milamina avokoa
- Tsy zaza be lalao,
- Fa hendry sy mahay
- Ka moa ho gaga ianao
- Raha toa madio’zahay!
Georges Ratimba/Rotsirotsy.
Please Donate to HOPE FOR MADAGASCAR
