Fanondranana vehivavy hivaro-tenaTeratany vahiny 3 voarohirohy
Fanondranana vehivavy hivaro-tena
Teratany vahiny 3 voarohirohy
Mpanararaotra sa mpisandoka? Teratany vahiny 3 indray izao no fantatra fa mitady vehivavy malagasy alefa hivaro-tena any ivelany. Soa ihany fa tratra ireto vahiny ireto. Saingy efa maromaro ireo tovovavy voafandriny…
Teratany indo-pakistane 3 no anaovan’ny mpitandro filaminana famotorana amin’izao fotoana izao mikasika ny fanondranana vehivavy hivaro-tena atsy amin’ny Nosy La Réunion sy Maorisy. Ireo tovovavy monina any amoron-tsiraka no tena lasibatra amin’izany. Mifono fitaka ny fanambatambazana ataon’ireo olon-dratsy. Mampanantena izy ireo fa misy asa any amin’ireo Nosy rahavavy handefasana ireto tovovavy. Tsy vitan’izany fa omena vola 2 tapitrisa ariary avy ireo vonona na dia mbola tsy miala eto an-toerana akory aza. Vola izay lazaina fa ampahany sahady amin’ny karama horaisiny rehefa tonga any amin’ny “tany nampanantenaina”.