15 taona dia efa nampivadian-drainy tamin’ny Srilankey

Ankoatra ny asa manimba ny maha-olona sy ny mifandraika amin’ny toe-batan’ny ankizy, dia misy iharan’ny herisetra amin’ny endriny samihafa koa ny tovovavy ao Ilakaka ao, araka ny fanadihadian’ny mpanao gazety tany an-toerana tamin’ny herinandro lasa teo. Ao ireo mivaro-tena ary mizaka ny setrasetra na dia mbola tsy ampy taona aza. Misy koa ireo amporisihin’ny raiamandreniny na omena vadian’ny vahiny ary atakalo vola. Tahaka izany ohatra ny nanjo an’i Rita, 18 taona ankehitriny ary avy any Antalaha.
Tamin’izy 15 taona dia nalefan-drainy hovadian’ny teratany srilankey. Tsy nanana izay ambarany izy tamin’izany fa nanaraka ambokony fotsiny. Vitan’ilay vahiny indray alina anefa ny fanimbana ara-nofo ilay tovovavy dia naveriny tany amin-drainy i Rita ary vola Ar 200.000 no nampitondrain’ilay Srilankey ny mpandika teniny homena ilay raim-pianakaviana. Dia vitan’izay fotsiny ny resaka.
Tamin’ny volana septambra lasa teo, dia nisy tovovavy voaolana ka vahiny ihany no voalaza fa nahavanona izany. Nitory ny fianakavian’ilay tovovavy saingy manahy ny hahavotsotra fotsiny ilay toriana ry zareo dia aleony manao raharaham-pihavanana ary mandray Ar 5 tapitrisa ho takalony. Mandre izany ny avy any amin’ny faritra hafa dia maniry koa ny mba hahavoazan’ny zanany. Izany hoe ataony jono ny zanany mba ho voaolana dia hakana vola izay nahavanona avy eo.
Vao tamin’io herinandro io koa dia nisy tovovavy izay niharan’ny herisetrana lehilahy imasom-bahoaka tany an-toerana. Sady torana no naratra ilay tovovavy ka voatery naiditra hopitaly. Natao ny raharaham-pihavanana saingy zara raha nisy niangana ilay vola ary tsy ampy hanohizana ny fitsaboana akory, araka ny tarainan’ilay rahavaviny.
Mitaha amin’ny tranga taona vitsy tany aloha, dia ambaran’ny mponina fa efa milamindamin-dratsy ao Ilakaka. Na izany aza mbola mampatahotra ny vahiny ny fijanonana ao.
JR , gazetiko.mg










