Madio izahay!
- Mba tsaroanareo ve ity??, ity ngamba ny tononkalo ampianarina ny ankizy Malagasy voalohany indrindra e!!!
- Jerreo ny volonay
- Voahogo tsara ery
- Sady izay indray
- Nasiana bigody!
- Jereo ny tananay
- Madio tsara koa
- Ary ny hohonay
- Voahety avokoa
- Jereo ny tongotray
- mandina aoka izany
- Ny faladianay
- Toa tsy nandia tany
- Ny reninay moa
- Mpipasoka mahay
- Voapasony avokoa
- Ny fitafianay
- Angaha ny tenanay ihany?
- No diovinay zareo
- Madio tahaka izany
- Ny bokinay jereo
- Boky sy kahie
- Sy kitapo koa
- Avia anie jereo
- Milamina avokoa
- Tsy zaza be lalao,
- Fa hendry sy mahay
- Ka moa ho gaga ianao
- Raha toa madio’zahay!
Georges Ratimba/Rotsirotsy.
Please Donate to HOPE FOR MADAGASCAR




6 Responses to “Madio izahay!”
ikalamako
Jul. 27/2008/9:17 am
hatraty io tsy mba zaza be lalao io, fa hendry sy nahay
sipagasy
Jul. 27/2008/9:39 am
fahazazana e!!!! aiza reh ianao e!!!!
Soanja
Jul. 29/2008/10:55 am
Any Sipagasy sy ny namana mahatoky rehetra mpitoraka bilaogy,
Mahafinaritra tokoa ilay hetsika. Miala tsiny indrindra tsy nahatsidika io andro fa tsy moramora tokoa ny mila ravinahitra aty antsefatsefabato aty fa sady mahalana no mandroritra ankanjo.
Misaotra Sipagasy manentana sy mampatsiahy ahy ny tonokalo sy hira noventesintsika fahazaza.
Manohana hatrany ny hetsika. Soanja tsy manadino.
sipagasy
Jul. 29/2008/11:17 am
Misaotra nitsidika akia Soanja ann
ikalamako
Jul. 29/2008/6:33 pm
weeh merci soanja nanao surprise nitsidika, fa dia ela re ianao zay tsy re !