Fianara-manisa (Anganon’ny Ntaolo)
Isa ny amontana, roa ny aviavy
Telo fangady, efa-drofia
Dimy emboka, eni-mangamanga
Fito paraky, valo tanantanana
Sivy rongony, folo fanolehana!
Andriamaintibe ny papango ;
Kely pitsoka farara ny takatra ;
Kely mpandatsaka aina ny bala ;
Lava-tana-tsy miasa ny foza ;
Bodo-kely matavy ny toho !
Anganon’ny Ntaolo (Pejy Faha 252)


5 Responses to “Fianara-manisa (Anganon’ny Ntaolo)”
sipagasy
Jul. 27/2008/4:01 am
hhmm tsara, ho avy manaraka eo ny tohiny e!!!
ikalamako
Jul. 27/2008/4:35 am
ary tia mitanisa isika izany ry zazavavy !
maintikely
Jul. 27/2008/5:18 am
hatreo @ efa-drofia ihany no haiko t@ mbola kely
nde nda hianarako io ry sipagasy!
sotsa
jogany
Jul. 27/2008/8:14 am
io ary ilayangano milay be spécialité an njy
great post mirana