Tanisa!
Amin’ilay takaria diavolana iny, dia miaraka 2 na 3 ny ankizy ka mitaona ny namany manao hoe:”‘Ndeha isika hilalao”. Dia maniraka azy ny ray aman-dreniny ka manao hoe:”‘Ndeha milalao fa injao ny namanareo miantso anareo”. Dia manomboka ny lalaon’ankizy avy eo.
Santionany ity atolotro anareo manharaka ity:
Fianarana manisa! (1)
- Isa ny amontana
- Roa ny aviavy
- telo fangady,
- Efa-drofia
- Dimy emboka
- Eni-mangamanga
- Fito paraky
- Valo tanatanana
- Sivy rongony
- Folo emboka
- Andriamaitibe ny papango
- Kely mitsoka farara ny takatra
- Kely mpamafifafy ny vanja
- kely mpandatsaka aina ny vanja
- Lava tana-tsy miasa ny foza
- Bodokely matavy ny toho…….
Fianarana manisa (2)
- Kanisa, kanisa kanadroadroa
- Tsipily paka, pa-drahateo
- Tsiriry be tan-kazo kely
- Tsy banga akory raiben’ialahy
- Fa manao lalan-droatra ny nifiny ô!
- Ingisa, ingoa
- Talonga drafanga
- Diminga eninga
- Tsitonga valoga
- Isa ny hisatra
- Roa ny voaroy
- telo ny telorirana
- Efatra ny efakefany
- Dimy ny jamoka
- Enina ny tenona
- Fito ny fitatra
- Valo ny vano
- Sivy ny siny
- Folo ny fony
Mba efa nitazana sy nandinika iny lanitra iny moa ianareo? tsaroanareo veh ny fahazazanareo? nofin’ankizy, eritreritra sendra nandalo tao an-tsaina raha nahita ireny rahona sy kintana ireny?? lalaonay fahiny tamin’izany ity manaraka ity:
- Kosokosakoa tain’ondrilahy
- Voangilo, voan-tanantanana
- Tanantanam-bazaha feno doka
- Nodokain’ilay mpanambaka
- Maty ve ilay ikalaratsy vintana ô?
- Tsy ambolana ô!!!
Fomba fiandrasana torimaso io fony aho mbola ankizy ka tsy mbola nanana izany hoe fahita lavitra izany izahay.




One Response to “Tanisa!”