Raha Ho Nofy Ihany
Nahoana kay ny kilonga ety, no tsy mahay taratasy ?
Nahoana kay ny kilonga ety, tsy mahalala lakilasy ?
Taratsin’ izy ireo dia ny tany amboleny
Ny angadin’ izy ireo no fanoratany eny.
Ny fiainan’ izy ireo dia mivelona amin’ ny tany
Fonenan’ izy ireo tsy mba eny an-danitra eny…
- - - Tononkira an’i Dama/Mahaleo
Io tononkiran’i Dama io dia mahalaza ny ankapoben’ny fiainan’ny ankamaroan’ny zaza malagasy eny ambanivohitra. Tsy mianatra izy ireo fa miasa tany, mamboly manampy ny RAD-ny @ fivelomany. Dia hisento isika hoe, mampalahelo ny toy izao fa dia tsy hiova ary tsy handeha lavitra mihoatra @ ny RAD-ny fiainan’ireo ankizy ireo. Tsy mba manana tanjona sy nofinofy hafa ve izy ireo?
Eny, manana ny faniriany sy ny nofinofiny rahatrizay ihany koa ny mahantra. Ny nofinofin-jaza moa matetika dia notarafiny @ zavatra iainany sy hitany andavan’andro. Ohatra hoe rehefa avy mahita sarimihetsika misy tifitifitra polisy sy mpandroba ny ankizy dia manonofy hoe ny polisy no tena manja ary izy no tena ho polisy ambonin’ny polisy rahatrizay. Matetika koa anefa ny fizotry ny tantara no mitsara fa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mba lasa/tonga @ ilay nofinofiny fahiny… Ihomehezana aza moa ny sasany hoe za moa dia nieritreritra an’zany taloha… tsy hita fa zaza eee.
Mazava hoazy fa raha angady no penina ary tanimboly no taratasy hianarany isan’andro dia nofinofy miatrika ny fianana no mibahana ny torimasony. Na izany aza anefa na ireo tsara vitana zanaky ny manankatao koa ary moa, na ho ela na ho aingana, tsy maintsy mandalo ny nofinofy miatrika ny fiainana ihany koa. Saingy efa manantona ny fahamatorana izy ireo vao misedra izany. Toy ny tsy nandalo ny fahazazany izany ireo zaza eny ambanivohitra.
Raha ho nofy ihany ny faniriana sy tanjona fahiny… Raha ho nofy ihany no tsy lavorary teo @ fahazazany… dia omentsika tsiny ve izy raha naleony nanampy ny RAD-ny, hamelo-maso izay nolovaina t@ ireo efa nolasana? Ny RAD tokoa moa no nahitana masoandro, ary tsy izany rahateo ve ny fahendrena malagasy?…
Indrisy anefa fa tsy nofy ihany ny nofy fa mety ho nofy… adidin’ny tsirairay, indrindra fa ny RAD, ny mampanonofy azy ireo.




6 Responses to “Raha Ho Nofy Ihany”
Pissoa
Jul. 26/2008/5:07 pm
Mety tena manana nofinofy ankoatra izay koa izy … fa heverina na heveriny ho tena nofy fotsiny tokoa hi hi .
jogany
Jul. 26/2008/5:09 pm
Toy ny tsy nandalo ny fahazazany izany ireo zaza eny ambanivohitra. est-ce vrai? je suis certaine que leurs rêves sont plus grands et plus innocents que les nôtres. Parce qu’ils respectent des valeurs que nous n’avons presque jamais appris, parce qu’ils sont ceux qui préservent une culture et des traditions que nous leur envions.
sans aucun artifice , juste la réalité et la beauté des rêves
maintikely
Jul. 26/2008/5:29 pm
pour avoir un père issu d’une famille très très mais très paysanne, je sais que tout est possible: même les rêves les plus fous et les plus invraisemblables…
simplex
Jul. 26/2008/5:29 pm
raha ho nofy ihany ny nofy dia aleoko toy ny tsy manonofy…
izay le hevitra
jogany
Jul. 26/2008/5:38 pm
ahhhhhh fallait le dire !!
maintikely>il faut toujours viser loin aussi haut et ne jamais despérer même ac un faux départ des mauvais choix…des crasses