Ilaikilema sy ny Mpanjaka
Rehefa nody tany amin’ny Rova ny Mpanjaka vavy dia tsy sahy nanantona avy hatrany an’i Andriamanivo, mpanjakan’i Tsiatosika izy fa natahotra azy. Nafeniny niaraka tamin’ny mpanampy azy aloha ity zaza nomeny ny anarana hoe Ilaikilema. Anefa tsy afaka ny hanao izany maharitra izy, mila mpandimby maika mantsy ny vohitr’i Tsiatosika.
Indray andro anefa dia reny ny Mpanjaka Andriamanivo ny feon’Ilaikilema ka nanontany izy:
-Iza no manao feo toy izany ato amin’ny vohitr’iTsiatosika, lazao!
-Tsy misy tompoko, hoy ny mpanompony
-Moa va feon-jaza mitomany no reko?
-Tsia tompoko!
Tsy nino anefa ny mpanjaka ka nanome didy hisava ny vohitra rehetra mandrapahitany ny fototry ny tomany. Raha naheno izany ny mpanjaka vavy dia nomeny ny mpanompo vaviny ity zanany ka nirahany handositra sy hiafina. Dia nangina ny Rova.
Nalahelo mafy anefa ny Mpanjaka vavy ka dia nilaza tamin’ny Andriamanivo ihany ny fisian’Ilaikilema. Dia naniraka olona ny Mpanjaka haka io zanany io. Rehefa nahita an’Ilaikilema kosa Andriamanivo dia nanosika azy sy ny reniny ka nilaza hoe:
-Manomboka anio dia tsy Mpanjakan’i Tsiatosika intsony ianao ary tsy zanako intsony Ilaikilema. Ratsy endrika loatra ny zaza ka tsy afaka hiseho vahoaka sy hitarika ny vohitra izy.
Nalahelo mafy ny Mpanjaka vavy, satria dia tsy maintsy nisafidy izy na hijanona amin’ny vadiny na hiaraka amin’ny zanany. Dia lasa izy naka torohevitra ka hoy ny Mpananatra:
-Henoy ny antson’ny fonao ry Mpanjaka manana ny marina!
Sarotra taminy anefa izany, satria nitongilana kokoa tamin’ny toerana maha-mpanjaka azy ny fony sady nekeny fa marina ny nolazain’ity Mpanjaka vadiny momba ny zanany.
Fetsy anefa izy ka sady tsy niandany tamin’ny vadiny no tsy namela zara an’Ilaikilema. Dia lasa izy nandeha nitady fanampiana . Efa iray andro sisa dia ho tapitra ny fotoana nomen’i Ravorombe azy ka natahotra mafy ny Mpanjaka.
Teny an-dalàna dia nisy tovovavy tsara tarehy nanantona sy nanontany ny Mpanjaka vavy.
-Maninona ianao no tomany rahavako?
-Ratsy loatra ny zanako!
-Ka moa va tsy zaza nirianao izy io?
-Eny, zaza niriana tokoa izy. Saingy tsy nampoiziko ho toy izao ny endriny
-Mandehana ary aza tomany, aoka ny fon’ny zanakao no hitarika anao. Raha fantany ny fitiavanao azy dia hisinda izao fahoriana izao.
Nangina ny Mpanjaka, dia niondrika izy nijery ny zanany. Norohany ny faritra nivonto nanakona ny masony dia tazan’Ilaikilema ny endrika mirana nibanjina azy. Hafaliana ny azy mianaka ./.
(Tantara noforonina, avy amin’ny tranga tena nisy) ,2008 ikala
GIVE TO EDSAT





6 Responses to “Ilaikilema sy ny Mpanjaka”
jogany
Jul. 26/2008/10:06 am
antsooooooo milay be ilay tantaraaaa
mahay mitantara aaaan
Pissoa
Jul. 26/2008/10:18 am
Ntsooo, so cute!
ikalamako
Jul. 26/2008/10:43 am
mahery ny mpamorona an ! ary msy manafina talenta ato kay…
jogany
Jul. 26/2008/10:47 am
reveko bezao io raha atao podcast lol….
sipagasy
Jul. 26/2008/10:59 am
tena ndao hanao theatre kely mihintsy e!!!!, lasa injay izao ry jogany sy zaza-vavy izany annn