Shame on poverty!!!
By Sipagasy| Fanondranana vehivavy hivaro-tena
Teratany vahiny 3 voarohirohy |
|
Fanondranana vehivavy hivaro-tena
Teratany vahiny 3 voarohirohy Mpanararaotra sa mpisandoka? Teratany vahiny 3 indray izao no fantatra fa mitady vehivavy malagasy alefa hivaro-tena any ivelany. Soa ihany fa tratra ireto vahiny ireto. Saingy efa maromaro ireo tovovavy voafandriny… Teratany indo-pakistane 3 no anaovan’ny mpitandro filaminana famotorana amin’izao fotoana izao mikasika ny fanondranana vehivavy hivaro-tena atsy amin’ny Nosy La Réunion sy Maorisy. Ireo tovovavy monina any amoron-tsiraka no tena lasibatra amin’izany. Mifono fitaka ny fanambatambazana ataon’ireo olon-dratsy. Mampanantena izy ireo fa misy asa any amin’ireo Nosy rahavavy handefasana ireto tovovavy. Tsy vitan’izany fa omena vola 2 tapitrisa ariary avy ireo vonona na dia mbola tsy miala eto an-toerana akory aza. Vola izay lazaina fa ampahany sahady amin’ny karama horaisiny rehefa tonga any amin’ny “tany nampanantenaina”. Ny tovovavy sasany moa tsy manampo na inona na inona ary roboka kinanjo asa fivarotan-tena no ampanaovina azy ireo rehefa tonga any an-tany lavitra any. Marihina fa iantohan’ireo mpanondrana avokoa ny saran-dalan’ny fiaramanidina mitondra ireo tovovavy sy ny trano ipetrahany rehefa tonga any an-toerana.
Luttons ensemble contre la pauvreté, aidons les pays en voie de developpement à réagir face à ce fléau. Combattons ensemble le tourisme sexuel. Avons nous perdu notre’soa-toavina’? Tarito @ lalana tsara tokony ho aleha ny ankizy hoy ny baiboly. |









