Violence envers les femmes
Herisetra mianjady amin’ny vehivavy
La violence envers les femmes est une préoccupation de santé publique d’importance considérable dans les pays développés et en développement. Le plus grand risque de violence envers les femmes provient des hommes qu’elles connaissent, souvent les maris ou les autres hommes de la famille.
Ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy dia anisan’ireo zava-dehibe tokony hisongadina amin’ny fahasalaman’ny daholobe na amin’ny firenenena an-dalam-pandrosoana na firenena mandroso. Ny trangan-javatra tena atahorana amin’izany fampijaliana ny vehivavy izany dia avy amin’ny lehilahy efa fantany, matetika ny vadiny na ny lehilahy ao amin’ny fianakaviany.
En plus de violer les droits humains des femmes, la violence menace leur santé, y compris leur santé de la reproduction. Parmi les risques de santé pour les femmes, on compte les blessures psychologiques et physiques immédiates et les risques moins visibles comme les troubles gynécologiques, les avortements dans des conditions insalubres, les complications relatives à la grossesse et les infections transmises sexuellement, y compris le VIH.
Ankoatran’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny zon’ny vehivavy, dia mety hanimba ny fahasalamany ihany koa izany herisetra mihatra aminy izany, indrindra fa momba ny fananahany. Ireo aretina mety ahazo azy, ao ny fahasimban’ny sainy sy ny vatany izay hita taratra avy hatrany, ao kosa ireo kilema miafina any amin’ny taovam-pananahany, ny fanalan-jaza tsy ara-dàlana, ireo olàna eo am-piterahana sy fitondrana vohoka, ny otrik’aretina mifindra amin’ny firaisana ara-nofo toy ny VIH.
La violence familiale, la forme la plus courante de la violence envers les femmes, demeure une question relativement obscure et ignorée par la recherche en programmation sur la santé de la reproduction. Dans les pays comme l’Afrique du Sud où il y a une prévalence élevée du VIH, des taux extrêmement élevés de viol et autres formes de violence envers les femmes ont été documentés, ce qui est susceptible de jouer un rôle important sur la grande vulnérabilité des femmes à l’infection par VIH.
Ny herisetra ataon’ny fianakaviana, izay tranga miseho matetika, no tena asa sy fanontaniana tsy mety voavaly eo amin’ny fijerena ny fahasalaman’ny fomba fananahana. Any amin’ny firenena toy ny Afrika Atsimo izay ahitana ny marika avo indrindra amin’ny VIH, ny fanolanana sy ireo endrika maro hafa amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy dia efa natao ny fandalinana, izay mety ahalalana bebe kokoa ny fahamoran’ny vehivavy hifindran’ny otrik’aretina VIH.
